02 / 05 / 2025
Andro iraisam-pirenena ho an’ny fiarovana sy ny fahasalamana 2025
Ny nanamarika ny volana aprily dia ny fanoloran-tena matotra avy amin’ny orinasaTGHM amin’ny fiarovana sy ny fahasalamana eny amin’ny sehatry ny asa, ho fanamarihana ny andro maneran-tany natokana ho amin’izany. Nandray andraikitra maro ny orinasa teny amin’ireo toerana hiasany sy teo amin’ny fiarahamonina manodidina.
Ny 22 aprily, dia nivory ireo mpiara-miasa tao Mahitsy, Sahanivotry ary Maroantsetra hiresadresaka momba ny lohahevitra hoe fitantanana ny vokatra simika. Nisy ny atrikasa sy fampahafantarana natao entina hanentanana ny amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fisorohana ny loza sy ny aretina mifandraika amin’ny asa ary ny fiarovana manoloana ireo akora simika.
Nitohy teny Ivato tao amin’ny ivotoeran’ny TGHM ny 24 aprily ny fifanakalozan-kevitra. Araka ny lohahevitra natolotry ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Asa (OIT) amin’ity taona ity dia nifantoka tamin’ny fiantraikan’ny nomerika amin’ny fiarovana sy ny fahasalamana eny amin’ny asa ireo mpiara-miasa. Ny fifanakalozan-kevitra dia nifantoka tamin’ny tombontsoa entin’ny teknolojia vaovao amin’ny fanatsarana ny fepetra iasana, ary koa ny loza mety hitranga izay tokony ho fantarina sy fehezina.
Farany, dia nanitatra ny hetsika nataony izay ivelan’ny toerana fiasany ny orinasa TGHM ny 25 aprily, tamin’ny alalan’ny fanentanana natao tao amin’ny kaominina Ampitatafika sy Alakamisy Fenoarivo. Ny tanjona dia ny hampahafantatra ny fiarahamonina manodidina momba ny loza ateraky ny tsipika herinaratra avo, ary hampiroborobo ny fihetsika azo antoka mba hisorohana ny loza sy hiantohana ny fahasalaman’ny rehetra. Ity hetsika ity dia porofo mazava amin’ny fanoloran-tenan’ny TGHM amin’ny fiarovana, tsy ho an’ny mpiasa ihany fa ho an’ny mponina manodidina ihany koa.