26 / 05 / 2025

ATG sy ny Faritra Amoron’i Mania dia miara-miasa amin’ny tetikasa fampandrosoana maharitra.

ATG, orinasa iray an’ny Tozzi Green, sy ny Faritra Amoron’i Mania eto Madagasikara dia nanambara ny fiarahamiasany amin’ny tetikasa iray goavana mikendry ny fanarenana ireo tany simba sy ny fampiroboroboana ny fampandrosoana isan-karazany amin’ny kaominina ambanivohitra maromaro (Mangatamboahangy, Itremo, Amboropotsy ary Mandrosonoro).

Ity fiarahamiasa ity, izay mifototra amin’ny fiaraha-miasa efa misy, dia manomboka amin’ny fanadihadiana ny azo tanterahina na étude de faisabilité. Hisy fitsidihana ifotony miaraka amin’ny mpiasan’ny faritra, arahin’ny fivoriana ara-teknika mba hamolavola sy hametrahana sonia fifanarahana. Andrea Tozzi, Tale Jeneralin’ny orinasa Tozzi Green maneran-tany, dia manasongadina ny maha-zava-dehibe ity tetikasa ity, mba hanaporofoana fa azo atao ny “mamerina aina amin’ny tany simba sady mamorona fiantraikany ara-tsosialy maharitra.” Ity hetsika ity dia maneho ny fanoloran-tenan’ny roa tonta amin’ny fampandrosoana ankapobeny sy manaja ny tontolo iainana.