12 / 01 / 2026
Famatsiana herinaratra any ambanivohitra : Tozzi Green Hydro Madagascar dia mikarakara ny hampifandray tanàna 52 amin’ny alalan’ny DECIM.
Vokatry ny fiaraha-miasa avy amin’ny DECIM izay tantanan’ny Bamboo Capital Partners, Tozzi Green Hydro Madagascar dia hampihatra fifandraisana herinaratra 5 189 iza avy amin’ny masoandro sy ny rano. Ity tetikasa goavana ity izay tohanan’ny Governemanta Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Angovo sy ny ADER, dia hahazo tombontsoa olona 225 000 miparitaka amin’ny faritra fito eto amin’ny nosy. Taorian’ny fivoriana fanazavana natao tamin’ny volana Oktobra 2025 niaraka tamin’ireo kaominina voakasika, dia hanomboka tsy ho ela ny asa fanorenana ka vinavinaina ho vita tanteraka ao anatin’ny 24 volana. Ity hetsika ity dia manamafy ny fampidirana ara‑angovo amin’ny alalan’ny fanomezana fotodrafitrasa azo antoka sy mora vidy ho an’ireo fiarahamonina ambanivohitra.