14 / 04 / 2025
Fambolen-kazo izay niarahana tamin’ny JTFMADAGASCAR & Terres en Mêlées tao Vohimary, Andiolava
Hetsika goavana ho an’ny tontolo iainana natao tao Vohimary kaominina Andiolava izay fiaraha-miasa teo amin’ny JTF Madagascar sy Terres en Mêlées.
Lehibe moa ny tanjona tamin’ity dia fambolen-kazo ity satria velaran-tany 3 hektara no nambolena, izay manampy amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny écosystème eo an-toerana sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
Ity hetsika ity dia tontosa noho ny fandraisana anjara mavitrika avy amin’ny ankizy ao amin’ny Rugby Academy Ihorombe, izay avy amin’ny faritra Satrokala, Andiolava, ary Ambatolahy, ary koa ny fahavitrian’ ny mpiasa ao amin’ny JTF Madagascar.
Niara-namboly zazakazo 3650 izy ireo, anisan’izany ny Akasia sy ny Jacquier, izay karazana zavamaniry teratany fantatra amin’ny fitomboana haingana sy ny fifanarahana amin’ny toetr’andro eo an-toerana.
Ireo 3 hektara voavoly hazo ireo dia dingana lehibe mankany amin’ny hoavy maitso sy maharitra indrindra fa ho an’ny faritra.
Ny hetsika nataon’ny JTF Madagascar sy Terres en Mêlées, amin’ny fampidirana ny tanora amin’ny asa fambolen-kazo, dia manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy ny hetsika iombonana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.