02 / 05 / 2025
Fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Tozzi Green Madagascar sy ny vondrona CRBC
Ny 30 aprily 2025 dia nisy ny fiaraha-miasa lehibe natao tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia fifanarahana teo amin’ny Tozzi Green Madagascar sy ny vondrona CRBC na China Road Bridge Corporation.
Natao teny Ivato tao amin’ny ivotoeran’ny orinasa Tozzi Green moa ny fanavan-tsonia, izay zava-dehibe ho an’ny orinasa roa tonta. Natrehan’i Atoa Davide GIACHERO, Tale mpitantana ny Tozzi Green Madagascar, sy Andriamatoa GAO Yunfei, Tale mpitantana ny CRBC, izay nanasongadina ny fanoloran-tena sy ny maha-zava-dehibe izany fiaraha-miasa izany.