Inauguration du nouveau bureau à Ambohidrazana

24 / 02 / 2025

Fanokanana ny birao vaovao ao Ambohidrazana !

Amin-kafaliana no nanokananay ny biraon’ny Fokontany Ambohidrazana, tetikasa iray izay tena manan-danja aminay.
Ity fanokanana ity dia tsy tontosa raha tsy noho ny fanohanana avy amin’ireo manampahefana eto an-toerana:
✅ Atoa RAKOTONDRABESA Pierre Aimé – Solombavambahoaka ao Arivonimamo
✅ Atoa RAKOTONDRAIBE Jean – Ben’ny tanànan’i Ambohimasina
✅ Atoa RAKOTOZAFY Martial – Lehiben’ny Fokontany Ambohidrazana
“Misaotra indrindra ny orinasa Tozzi Green Madagascar izahay noho ity hetsika miavaka ity,” hoy ny lehiben’ny Fokontany. Voalohany teo amin’ny faritra sy amin’ny kaominina Ambohimasina izao fananganana biraon’ny Fokontany, toerana tena ilaina ho an’ny fiarahamonina izao.
Ity birao vaovao ity dia misy fanaka feno: dabilio, latabatra birao, ary vata fitehirizana.
Ankoatra izany, mba hiantohana ny fandriampahalemana ho an’ny rehetra, dia nanolotra jiro an-dalambe ho an’ny Fokontany ihany koa ny orinasa Tozzi green Madagascar.
Matoky izahay fa ity birao ity dia ho toerana fakan-tahaka sy manan-daja ho an’ny mponina ao Ambohidrazana sy ny manodidina.