02 / 04 / 2025
Fanomezana zanakazo 1000 ho an’ny distrikan’i Vohibe
Ny distrikan’i Vohibe dia mandray an-tanana ny ezaka fambolen-kazo izay hatao, ary mandray anjara lehibe amin’izany ny orinasa JTF Madagascar.
Manoloana ny filàna amin’ny zanakazo nataon’ny distrika, dia nanome zanakazo miisa 1000 ny orinasa JTF Madagascar.
Ity hetsika ity dia natao hampiroboroboana mavitrika ny fambolen-kazo ao amin’ny distrikan’i Vohibe. Ankoatra ny fambolena fotsiny, tafiditra amin’ny fanentanana ny mponina ihany koa izy, mba hampitomboana ny fahatsiarovan-tena amin’ny fiarovana ny ala sy ny tontolo iainana.
Ny tanjona dia ny hanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny ala sy ny tontolo iainana ho an’ny hoavin’ny faritra.
Ahitana karazana hazo roa moa ny fanomezana izay natolotra, ary voafantina manokana noho ny tombotsoa azo avy amin’ny tontolo iainana sy ny toekarena:
- 500 Leucenae Leucocephala
- 500 Baie Rose
Ity hetsika ifarimbonana eo amin’ny distrikan’i Vohibe sy ny orinasa JTF Madagascar ity dia dingana lehibe mankany amin’ny hoavy maitso sy maharitra ho an’ny faritra.