
01 / 03 / 2024
Hetsika fambolen-kazo goavana natao tao Fieferamanga-Arivonimamo
JTF Madagascar, orinasa ao amin’ny Tozzi Green Madagascar izay miara-miasa akaiky miaraka amin’ny Direction en charge des Relations Cultuelles et Communautaires na DRCC avy ao amin’ny fiadidiana ny repoblika Malagasy, dia nanolotra zanakazo miisa 3 000, anisan’izany ny citrus sy ny manguiers:
Ireo zanakazo ireo dia nozaraina toy izao:
✅ 1 500 ho an’ny mponina
✅ 1 500 ho an’ny FFKM
✅ 40 ho an’ny mponina ao amin’ny tanàna vaovao ao Fieferamanga
Ity fambolen-kazo kristiana ity dia manasongadina ny fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa, ny manampahefana, ary ny fiarahamonina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana