14 / 10 / 2025
Nanatevin-daharana ny Alliance pour l’électrification rurale (ARE) mba hanamafisana ny fidirana amin’ny herinaratra maharitra any ambanivohitra ny Tozzi Green Hydro Madagascar
Nanatevin-daharana ny Alliance pour l’électrification rurale (ARE) ny orinasa Tozzi Green Hydro Madagascar, fikambanana ara-barotra maneran-tany izay ahitana mpikambana mihoatra ny 200 moa ny ARE. Natao hanamafisana ny iraka ataon’ny orinasa moa ny fidirina amin’ny ARE izay fanomezana herinaratra azo antoka sy maharitra ho an’ny mponina ambanivohitra eto Madagasikara, ary manampy amin’ny fanatsarana ny fari-piainana sy ny fampandrosoana ara-toekarena eo an-toerana. Ny orinasa Tozzi Green Hydro Madagascar amin’ny alalan’ny ARE dia sehatra iray entina hampahafantarina bebe kokoa ny tetikasa sy ho fidirana amin’ny tambajotra maneran-tany misy mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola. Izany indrindra no mahatonga ny orinasa ho mpandray anjara lehibe amin’ny fiovàna mankany amin’ny angovo maharitra.