26 / 05 / 2025
Tozzi Green Madagascar : Angovo avy amin’ny masoandro ho an’ny fanabeazana sy ny fahasalamana ao Ambohimarina Ambohimanga.
Tozzi Green Madagascar dia nitokana fotodrafitrasa roa lehibe, dia ny rafitra fanazavana amin’ny herin’ny masoandro mahaleo tena, samy manana herinaratra 5KW ao amin’ny EPP Rakotoanana sy ny CSB II Manankasina. Ity tetikasa ity, dia natao tao amban’nyeo ambany fiahian’Andriamatoa jeneraly 𝑹𝑨𝑽𝑨𝑳𝑶𝑴𝑨𝑵𝑨𝑵𝑨 𝑹𝒊𝒄𝒉𝒂𝒓𝒅, 𝑭𝒊𝒍𝒐𝒉𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑨𝒏𝒕𝒆𝒏𝒊𝒎𝒊𝒆𝒓𝒂𝒏𝒅𝒐𝒉𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 sy Ramatoa vadiny,notronin’Andriamatoa Loholon’i Madagasikara isany : 𝑹𝑨𝑩𝑬𝑻𝑺𝑨𝑹𝑶𝑨𝑵𝑨 𝑺𝒚𝒍𝒗𝒂𝒊𝒏, 𝑹𝑨𝑲𝑶𝑻𝑶𝑵𝑫𝑹𝑨𝑰𝑵𝑰𝑩𝑬 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒊𝒂𝒏𝒂𝒏𝒕𝒆𝒏𝒂𝒊𝒏𝒂 𝑴𝒊𝒄𝒉𝒆𝒍 sy 𝑴𝑨𝑯𝑶𝑵𝑱𝑶 𝑯𝒖𝒈𝒖𝒆𝒔 𝑳𝒂𝒖𝒓𝒆𝒏𝒕 𝑮𝒖𝒚 sy ny tale jeneraly maneran-tany ny orinasa Tozzi Green Andriamatoa Andrea Tozzi.
Mifanaraka amin’ny fanoloran-tenan’i Tozzi Green amin’ny fampandrosoana lovainjafy sy fanatsarana ny fari-piainan’ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra.
Ireo fotodrafitrasa feno ireo dia ahitana ny famokarana, fitahirizana ary fiarovana ny angovo, fanavaozana ny tambajotran-jiro, ary fametrahana paompy anaty rano mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny famatsiana rano. Kendrena hampisondrotana ny tontolo iainana amin’ny fianarana sy ny fitsaboana izy ireo, sady mampitombo ny fahaleovantenan’ny angovo eo an-toerana, mampiseho ny finiavan’i Tozzi Green hampiasa ny fanavaozana ho tombontsoan’ny vondrom-piarahamonina.