12 / 08 / 2025

Tozzi Green sy Hydelec : fanoloran-tena matotra ho an’ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara

Tozzi Green Madagascar amin’ny alalan’ny Hydelec, dia miroso amin’ny dingana vaovao amin’ny fampandrosoana maharitra sy ny andraikitra ara-tsosialin’ny orinasa (RSE) eto Madagasikara. Ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ireo fotodrafitrasa lehibe ao Vodiriana, ao amin’ny Baie d’Antongil, dia manamarika ny fanombohan’ny tetikasa goavana izay mikendry ny hanova tanteraka ny faritra.

Zava-bita azo tsapain-tanana ho fanasoavana ny fiarahamonina

Ny fiaraha-miasa mahomby teo amin’i Tozzi Green sy ny mponina teo an-toerana dia nahafahana nanangana fotodrafitrasa maro tena ilaina ho an’ny fahasalamana sy ny fiainan’ny rehetra. Ity tetikasa ity dia nahatonga ny fananganana ireto manaraka ireto :

  • Ivotoeram-pitsaboana hanatsarana ny fahafahan’ny olona misitraka fitsaboana.
  • Fanasan-damba iombonana, mamaly filàna andavanandro tena ilaina.
  • Birao ara-pitantanana, manamora ny fitantanana eo an-toerana.
  • Kianja baolina kitra, miaraka amin’ny akanjo sy baolina no natolotra ihany koa ho an’ny tanora, ho fanentanana ara-panatanjahantena.
  • Toerana roa fivavahana, manaja ny fahasamihafana ara-pivavahan’ny fiarahamonina.

Etsy ankilany, nanamafy ny fiarovana eo an-toerana ny orinasa tamin’ny alalan’ny fanomezana moto roa ho an’ny zandarimaria, izay maneho ny fandraisany anjara amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainan’ny fiarahamonina.

Tetikasa famatsiana herinaratra any ambanivohitra tsy mbola nisy toa azy.

Ireo fanokafana ofisialy ireo dia dingana voalohany monja amin’ny tetikasa lehibe izay hotanterahina atsy ho atsy. Tsy ho ela dia hanomboka tetikasa famatsiana herinaratra any ambanivohitra i Tozzi Green amin’ny alalan’ny Hydelec, izay hampiditra angovo madio, azo antoka ary mora vidy ho an’ny olona manodidina izay miisa 400 000 eo ny olona voakasika (eo amin’ny tokantrano 50 000), miparitaka amin’ny tanàna 83 ao amin’ny Baie d’Antongil.

Ity hetsika ity dia hanova tanteraka ny Baie d’Antongil, izay helodrano lehibe indrindra eto Madagasikara, ho modely iray amin’ny famatsiana herinaratra maharitra. Tetikasa iray mihoatra lavitra noho ny fanomezana herinaratra fotsiny izy io, satria mamorona fahafahana ara-toekarena vaovao sy mitondra fanantenana ho an’ny hoavin’ny faritra.

Tozzi Green Madagascar amin’ny alalan’ny Hydelec dia manolo-tena hanazava ny tontolo amin’ny alalan’ny angovo maitso, mampiseho fa azo atao tsara ny mampifandray ny fampandrosoana ara-toekarena, ny fanajana ny tontolo iainana ary ny fandrosoana ara-tsosialy.