Ireo asa : fitantanana manontolo sy mitambatra ny angovo azo havaozina
Amin’ny maha-pitaridalana azy eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina, Tozzi Green Madagascar dia mamolavola, mampandroso ary manangana ireo fotodrafitrasa mampiasa loharanon’angovo azo havaozina, ao anatin’ny fandraisana an-tanana ny lafiny rehetra amin’ny fizotran’ny asa. Manomboka amin’ny famakafakana eo am-boalohany ny fahafahana manatanteraka asa hahazoana tombony ka hatramin’ny fananganana sy ny fampandehanana ny fotodrafitrasa, ny fitantanana mitambatra dia miantoka ny fahazoana vokatra mahomby sy maharitra.
Famolavolana sy Fananganana
Tozzi Green Madagascar dia mamolavola fotodrafitrasa mandeha amin’ny loharanon’angovo azo havaozina, ka mitantana ny lafiny rehetra amin’ny zotran-damina amin’ny fomba miaty, manomboka amin’ny tombana mialoha mikasika ny fahafaha-manatanteraka ka hatramin’ny fanorenana sy fampiodinana.
Ny fifandraisana naorin’i Tozzi Green Madagascar eny amin’ireo toerana misy ny asany dia tsy voafetra fotsiny amin’ny fanajana ny fombafomba fanatanterahana ny asa sy ny fahatsaran’ny fifandraisana amin’ireo rafi-panjakana, fa mampandray anjara ihany koa ny mponina eny ifotony amin’ny alalàn’ny fihainoana sy ny famaritana iraisana ny vahaolana azo ampiharina. Ny fomba fiasa mampandray anjaran’ny orinasa, mifandrindra amin’ireo soatoavina hiavahany mikasika ny faharetan’ny fotodrafitrasa, dia mandrakotra ny dingana rehetra amin’ny tetikasa, manomboka amin’ny famolavolana ka hatramin’ny fanatontosana ny asa izay hanomezana tombondahiny mandrakariva an’ireo mpandraharaha eo an-toerana. Tozzi Green Madagascar dia manaraka ireo dingana savaranonando rehetra mialoha ny hanombohana ny tetikasa fanorenana fotodrafitrasa vaovao, amin’ny alalàn’ny famaritana ny toerana tsara indrindra mitsinjo ny fahafahana mahazo tsara ny loharanon-karena voajanahary sy fotodrafitrasa fidirana, ny fametrahana sy ny fitantanana ny fifandraisana amin’ireo vondrom-piarahamonina voakasika, ary ny fitantanana ny fomba fiasa takiana amin’ny fahazoan-dalana sy ny fanarahamaso.
O&M, Fanatanterahana asa sy Fikojakojana
Ny fitantanana sy ny fikojakojana araka ny tokony ho izy ny fotodrafitrasa iray dia miantoka ny hatsaran’ny fiasany faran’izay ambony indrindra, ary avy amin’izany dia ny fahazoam-bokatra andrandraina. Tozzi Green Madagascar dia manome fandraharahana O&M feno ho an’ireo fotodrafitrasa salantsalany sy lehibe miodina amin’ny angovo azo havaozina, izany hoe ny fikojakojana andavanandro sy miavaka (famerenana amin’ny laoniny sy fampandehanana indray), ny fanarahamaso sy ny fitantanana avy lavitra, ary farany ny fanatanterahana fikojakojana feno.
Fitantanana ny Fananana
Tozzi Green Madagascar dia manome tolotra maro karazana amin’ny fitantanana ny lafiny rehetra na ara-panjakana, na amin’ny lafiny lalàna, na ara-ketra na mikasika ny tontolo iainana mifandray amin’ny fampiodinana ireo fotodrafitrasa mandeha amin’ny loharanon’angovo azo havaozina, ny fivarotana ny angovo novokarina sy ireo fandrisihana miaraka amin’izany, amin’ny fiantohana fahazoam-bokatra ambony amin’ireo fotodrafitrasa, ny fiarovana ny sandan’ny fampiasambola manaraka ny fotoana ary ny fiantohana ny fitohizan’ny fanarahana hatrany ny fitsipika aman-dalàna manankery.
Mampiroborobo ny angovo azo havaozina izahay mba hiadiana amin’ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro.
Ny fandraisan’anjaran’ireo mpiantsehatra sy ny vondrom-piarahamonina
Ny fisiana any amin’ny firenena samihafa amin’ny kaontinanta maro dia mitarika an’i Tozzi Green Madagascar hanorina fifandraisana amin’ireo mpiantsehatra izay manana fiteny samihafa, manana fitsipika manokana mifehy azy ireo eo an-toerana ary manana ny tombontsoany manokana. Ao anaty sehatry ny fampiroboroboana ireo asa ara-barotra, ny Mpitantana ny Vondrona, mifandray amin’ireo fahaiza-manao samihafa, dia mitazona fifandraisana mitohy tsy tapaka sy mirindra amin’ireo sokajim-piantsehatra samihafa, amin’ny fomba voatondron’ny lalàna na ivelany, ao anatin’ny fanajana ny mangarahara hatrany, voarakitra an-tsoratra ary entanin’ny hatsaran-tsitrapo hatrany. Ireo fomba fifandraisana dia mifanaraka hatrany amin’ny zava-misy eo amin’ny lafiny fanatanterahana ary mifototra amin’ny fahalalana lalina ireo toerana sy ireo olona hifandraisana, mba hamaliana amin’ny fomba tsara ny hetahetan’ireo faritra samihafa.
Eto Madagasikara dia misy tsy tapaka sy araka ny tokony ho izy ny fifandraisana amin’ny rafi-panjakana eo anivon’ny firenena sy eo an-toerana, ao anaty fifanajana tanteraka sy fitadiavana ny vahaolana tsara indrindra amin’ny olana rehetra. Matetika ireo olana ireo dia mikasika ny filàna fototra toy ny herinaratra, rano, fahasalamana, fanabeazana fototra, ary fotodrafitrasa hafa, izay matetika angatahana amin’ny orinasa. Tsy mijanona amin’ny fanarahana fitsipika sy fifandraisana tsara amin’ny manampahefana ihany anefa ny fifandraisan’i Tozzi Green Madagascar amin’ny toerana iasàny, fa tafiditra ao koa ny mponina eny ifotony, amin’ny alalan’ny fifampihainoana sy fandraisana fanapahan-kevitra miaraka. Atao amin’ny fivoriana ofisialy sy amin’ny dingana rehetra amin’ny tetikasa izany, manomboka amin’ny famolavolana ka hatramin’ny fanatanterahana. Araka izay azo atao dia omena tombondahiny hatrany ny mpandraharaha eo an-toerana amin’ny fanatanteraha ny asa. Amin’ny tetikasa vaovao, izay misy fanorenana toby famokarana herinaratra, dia misy hatrany ny firotsahan’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny ambaratonga maro, miaraka amin’ny manampahefana (avy amin’ny foibe na / sy eo an-toerana), miaraka amin’ny olon-tsotra izay manome ny zo fananan-tany ka misitraka tambiny na hofany, miaraka amin’ny vondrom-piarahamonina izay hifampidinihana momba ny filàna iombonana ary dia misy fifanarahana mamatotra ny orinasa izay mametra-teny fa hanampy amin’ny fanatanterahana ny asa hamaliana izany filàna izany.

Tozzi Green Madagasikara : Manova ny fananana angovo vokarina avy amin’ny rano ho zava-misy maharitra
Manana fahafahana mamokatra herinaratra avy amin’ny rano hatrany amin’ny 7 800 MW i Madagasikara, araka ny tatitra nataon’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), saingy latsaky ny 3 % ihany amin’izao no ampiasaina. Noho izany, dia mampiasa vola i Tozzi Green Madagascar hampiroboroboana ny herinaratra eto amin’ny firenena sy hampihenana ny fahantrana ara-angovo.
Madagasikara, miaraka amin’ny tambazotrany misandrahaka sy matevina amin’ny rano dia manana fahafaha-mamokatra herinaratra avy amin’ny rano tsy hita velively, any amin’ny faritra atsinanana, avaratra ary ny afovoan-tany. Ary any amin’ireo faritra ireo indrindra i Tozzi Green Madagascar no mampivelatra ny tetikasany amin’ny angovo azo havaozina, ary amin’izany dia manampy amin’ny fanentsenana ny tsy ampy amin’ny filàna angovo eto amin’ny firenena sy manatsara ny toe-piainan’ny mponina.
Noho ny fitarihana sy fanairan’ny orinasa, ny fivoaran’ny angovo avy amin’ny rano dia mitaky fiaraha-miasa akaiky amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana. Izany fiarahamiasa izany no hahafahana mampisy tombony ny fampiasambola rehefa mandeha ny fotoana, manatsara ny fizarana herinaratra any amin’ny faritra ambanivohitra ary mandray anjara amin’ny alalan’izany amin’ny fampihenana ny fahantrana ara-angovo.
Ny asan’i Tozzi Green Madagascar dia mifanaraka tsara amin’ny politika nasionaly momba ny fizorana amin’ny fiovana amin’ny angovo azo havaozina, ary manohana ny tetikasa famokarana herinaratra avy amin’ny rano.
Ny teknôlôjia vaovao toy ny tobim-pamokarana herinaratra kely avy amin’ny rano dia manome tolotra mifanaraka amin’ny filàn’ny eny ambanivohitra ary afaka mandray anjara amin’ny famahoana ny fampiasana herinaratra.
Tetikasa vita
Tozzi Green Madagascar no mpampiasa vola lehibe indrindra avy amin’ny sehatra tsy miankina eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina eto amin’ny firenena. Amin’izao fotoana izao izy dia mitrandraka toby famokarana herinaratra telo, manana tanjaka iraisana 47 MW sy famokarana mitotaly 185,5 GWh isan-taona.

Tobim-pamokarana angovo avy amin’ny rano ao Sahanivotry
Ao amin’ny kaominina Manandona any amin’ny faritra Vakinankaratra no misy ny toby famokarana herinaratra avy amin’ny rano ao Sahanivotry. Ny toby izay napetraka manaraka ny fikorianan’ny rano ao amin’ny renirano Manandona dia mamily rano 9,1 m3/s ao anatin’ny fitarihan-drano an-tery izay mampiasa haavo-na fianjerana 243 metatra. Ny toby dia mampiasa « turbines Pelton » miisa telo manome tanjaka 16,5 MW sy famokarana tombanana ho 60 GWh isan-taona. Nanomboka niasa tamin’ny 2008, io fotodrafitrasa io dia nahafahana nampitombo ny famokaram-pirenena nihoatra ny ny 10% (loharano BAD). Manome herinaratra ho an’ny mponina manodidina ny 160 000 izy ao anatin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA) avy amin’ny tariby mitondra herinaratra 63 kV mamakivaky ny zanatoby ao Antsipolitra, izay any amin’ny 19 km avy eo amin’ny toby. Ao anaty sehatry ny fanomezana herinaratra ny eny ambanivohitra, ny toby dia mamaly ny filàna angovo ny mponin’i Sahanivotry ihany koa ka mandray anjara amin’ny famokarana fanampiny manodidina ny 30 MWh/taona ho an’ny vondrom-piarahamonina eny an-toerana.
Ankoatr’izay dia nanana fiantraikany manan-danja teo amin’ny lafiny sosialy sy ara-toekarena ny tetikasa. Niteraka asa any ho any amin’ny 140 izy nandritra ny fanorenana, ka manodidina ny 40 ny avy eo an-toerana. Ny fanodinana azy dia miantoka asa maharitra eo amin’ny 20 sady manome asa tsy maharitra iahany koa ho anny mponina eo an-toerana.

Tobim-pamokarana angovo avy amin’ny rano ao Maroantsetra
Ity tetikasa famokarana herinaratra ity dia notanterahana tamin’ny zotran’ny rano ao amin’ny renirano Voloina, 30 km eo ho eo andrefan’ny tananan’i Maroantsetra, ao amin’ny faritanin’i Toamasina, any amin’ny ilany avaratra atsinanan’i Madagasikara. Nanomboka niasa tamin’ny 2005 izy io ary mampiodina rano 3m3/s amin’ny haavo 91,65 m, ary miantoka famokarana isan-taona tombanana ho 5,5 GWh. Ny fotodrafitrasan’ity toby ity dia miantehitra amin’ny “turbines Francis à axe horizontal” manana fahafaha-mamokatra 2,5 M ny iray. Ireo “turbines” ireo dia ampidirina amin’ny alalan’ny rafitra izay ahitana toeram-panangonana fasika 26 metatra ny halavany sy fantsona mitarika an-tery mirefy 680 metatra. Izany dia miantoka ny fitantanana tsara indrindra ny fikorianan’ny rano.
Ity toby ity dia mitana anjara asa lehibe amin’ny fanomeana herinaratra ny mponina 10.000 eo ho eo ka manaporofo tanteraka ny fahafahany mamaly ny filàn’ny mponina eo an-toerana. Miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa, ny toby dia mandray anjara mavitrika ihany koa amin’ny tetikasa roa famatsiana herinaratra ny eny ambanivohitra izay mikendry ny hampitombo ny fisitrahana herinaratra ho an’ireo toerana lavitra ao amin’ny faritra.
Io toby io ihany koa dia miavaka amin’izy fotodrafitrasa mamokatra herinaratra hany tokana mifandray amin’ny tambazotra mahaleo tena manana tanjaka 21 KW eo amin’ny manodidina ny 30 km. Io tambazotra mahaleo tena io no hahafahana manome herinaratra azo antoka sy maharitra ho an’ny faritra mbola tena lavitry ny fandrosoana any avaratr’i Maagasikara izay mbola mipetraka ho fanamby lehibe ho an’ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana ny fisitrahana azy.

Tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano ao Farahantsana
Ny toby famokarana herinaratra avy amin’ny rano ao Farahantsana dia manana tanjaka tsy miova 28 MW ary miantoka famokarana 120 GWh isan-taona. Nanomboka niasa tamin’ny 2022 izy io ary mamatsy ny tambazotra mifandray amin’Antananarivo amin’ny alalan’ny tariby mitondra herinaratra mirefy 38 km sy zana-toby 2 (Tana-Atsimo sy Farahantsana). Mifandray amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo ny toby ary miorina eo amin’ny reniranon’Ikopa ao amin’ny Faritra Itasy, ao amin’ny faritry ny Kaominina ambanivohitra Ambohimasina. Izy io dia ampandehanin’ny “turbine Francis” miisa efatra izay manana fahafaha-mamokatra 7 MW avy. Ny toby ao Farahantsana dia manovo rano 66 m3 isan-tsegondra ao amin’Ikopa, avy amin’ny haavo 42 m ary mamorona herinaratra 135 GWh isan-taona, ampy hamaly ny filàn’ny mponina 2.750.000 eo ho eo, izany hoe 65% n’ny mponina ao Antananarivo.
Nanomboka tamin’ny 2018 ny asa fananganana, nahitana fiaraha-miasan’ny orinasa Malagasy, Italiana ary Filipiana, ka namorona asa mivantana 750 teo an-toerana sy nahatonga ny fihitaran’ny tananan’i Mahitsy sy ny Kaominin’Ambohimasina. Tamin’ny 2017 dia olona maherin’ny telo arivo no nanatrika ny fitokanana ny tetehezana ao Farahantsana, Mahitsy, 50 km eo ho eo miala ny renivohitra Antananarivo, tetehezana izay mampitohy nanomboka teo ny Kaominina Ampanotokana sy Ambohimasina izay nossarahan’ny reniranon’Ikopa. Ity fotodrafitrasa ity, izay nilaina tamin’ny fanombohana ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano dia vokatry ny fiarahamiasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Lasa fotodrafitrasa mifono tara-kevitra manokana ihany koa ilay tetehezana. Ny fifandraisana teo amin’ireo tanàna roa ireo manko dia nahafahana nampiray ara-batana vondrom-piarahamonina nosarahan’ny renirano hatrizay ka tsy afaka niara-niasa sy nanambatra hery tamin’ny politikan’ny fiarahamiasa sy fomba fanao iraisana.
