Tamin’ny taona 2023, taorian’ny dingana voalohany fanandramana, dia nanova ny ezaka ataony ho amin’ny famerenana ala indray Tozzi Green Madagascar, mba hiatrehana ny olana lehibe ateraky ny fiovaovan’ny toetrandro. Ny tanjona dia ny hanatsarana ny toetoetry ny andro amin’ny faritra kely voafetra eny an-toerana amin’ny alalan’ny fambolena karazana hazo mateza.
Tetikasa maharitra izy ity, izay mitaky fandaminana sy fihaonana matetika amin’ny ankolafin’olona rehetra voakasik’izany. Ary mila mpiasa betsaka ihany koa aza noho ny teo aloha izy, na amin’ny fametrahana ny ala na amin’ny fikojakojana azy (vinavinaina haharitra 40 taona farafahakeliny ny faharetan’ny ala). Ekena eran-tany fa fomba maharitra ara-tontolo iainana ny famerenana ala. Misy aza manampahaizana milaza fa io no fomba tokana tena mahomby hiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro amin’ny ambaratonga midadasika kokoa. Ankoatra izany, ny famerenana ny ala dia ekena fa mitonda tombontsoa ara-tontolo iainana manan-danja mahakasika ny fahasamihafan’ny tany, ny karazam-biby sy zava-maniry.
Tombontsoa ho an’ny vondrom-piarahamonina sy ny tontolo iainana
Tsy voafetra amin’ireo toerana hambolen-kazo fotsiny ireo tombontsoa ireo fa mipaka ihany koa any amin’ny toerana manodidina azy, ka mitondra fanatsarana ho an’ny vondrom-piarahamonina ao anatin’ny faritra voakasika. Ny tany rakofan’ny tetikasa dia miparitaka amin’ny velarantany lehibe sy voazarazara, ahitana tany ampiasaina amin’ny tanjona hafa. Mikasika manokana ny Faritra Ihorombe dia antenaina fa hanampy hanalefaka ireo olana goavana toy ny tsy fisian-drano, ny tsy fahavokaran’ny tany, ny fikaohin’ny riaka ny tany, ary ny fahavitsian’ny zava-manan’aina ity famerenana ala ity. Mikasa hanokana ampahany amin’ny tany ho an’ny agroforesterie ny tetikasa, izay marihina moa fa efa misy tany sasany efa voaomana ny amin’izany.
Tozzi Green Madagascar dia mandray anjara amin’ny fananganana sy fitantanana faritra izay hambolena hazo mamokatra (arina na voankazo) miaraka amin’ny voly azo hampielanelanina amin’ny karazana fanao sakafo (toy ny katsaka, mangahazo, apemba, sns). Manana fahafahana feno amin’ny fitantanana ireo tany ireo ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana, ary azy ireo avokoa ny vokatra azo. Io no votoatin’ny tetikasa agroforesteria amin’ny ambangovangony.
« Tsy resaka tontolo iainana fotsiny ny famerenana ala, fa resaka ara-tsosialy sy politika ihany koa. Amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, dia miaro ny tenantsika koa isika ary miantoka hoavy maharitra ho an’ny taranaka hoavy. »
Wangari Maathai, prix Nobel de la paix
Ny tetikasa famerenana ny Ala ao Satrokala na Satrokala ARR
Ny tetikasa famerenana ny Ala izay antsoina hoe Satrokala ARR dia mikendry ny hanarenana ny faritra simba (Satrokala, Andiolava sy Ambatolahy). Satrokala dia avy amin’ny fomba fiteny poetika malagasy izay midika hoe “satroka an’ny ala”, avy amin’ny teny hoe satroka sy ala. Mihoatra ny 3 tapitrisa ny hazo naniry avy amin’ity tetikasa ity amin’ny velaran-tany maherin’ny 6 000 hektara, ka 4 000 amin’ireo no efa voavoly. Amin’ny alalan’ny fampidirana indray ireo karazana zavamaniry sy “autochtones”, dia manarina ny karazan-javamaniry ny tetikasa, sady mamorona tontolo iainana mendrika . Ny fidirana an-tsehatra toy izao dia mampisy vokatra maromaro: raha tsy nisy izany, dia tsy hisy akory ny soa ara-tontolo iainana toy ny fiverenan’ny karazana biby, ny fanamafisana ny tanin-koditra ary ny fisintonana ny CO₂. Noho izany, ny tetikasa Satrokala ARR dia manamafy amin’ny fomba azo tsapain-tanana sy mivantana ny fahatafihinan’ny rafitra tontolo iainana na “résilience des écosystèmes”.
Fanamaroana ny fahasamihafan’ny zavaboaary
Fandraisana anjaran’nyvondrom-piarahamonina eo an-toerana
Mandray anjara mavitrika amin’ny dingana rehetra amin’ilay tetikasa famerenana ala ARR ny mponina ao Satrokala, Andiolava, ary Ambatolahy. Io tetikasa io dia manana tanjona ny hamerenana amin’ny laoniny ny tontolo voajanahary simba sy hanome loharanom-pivelomana ara-toearena maharitra.
Fampandraisana andraikitra ny vondrom-piarahamonina
Mandray andraikitra amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny vondrom-piarahamonina amin’ny alalan’ny famerenana ala, fitantanana ireo tanimboly ea naerina amin’ny laoniny, ary ikojakojana ny hazo novolena. Ankoatr’izany, misy tetikasa agroforesteria miaraka aminny mponina, ka mitambatra amin’ny voly ara-pambolena maharitra sy ny famerenana ala izany, mba hanomezana tombony ara-toekarena maharitra ho azy ireo.
Fandraisana anjara mavitriky ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana
Manana anjara toerana lehibe amin’ny tetikasa ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana. Hakana hevitra matetika izy ireo hifampidinihana momba ny fifanarahana nosoniavina tamin’ireo Kaominina telo, sy hanitsiana ireo laharam-pahamehana araka ny tena filàna eny ifotony. Mandray anjara ry zareo amin’ny famerenanana ny ala sy ny fanatsarana ny teknikan’ny fanarahamaso sy fitantanana ireo omby ny amin’ny fahitra natokana ho amin’izany, ary izany dia manampy amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary.
Fanatanterahana ny asa ataon’ny mponina eo an-toerana
Anisan’ny asa tanterahina amin’ny tetikasa ireto: fanomanana ny tany, fambolena, fikojakojana ny ala nambolena indray, ary fanatanterahana ny fomba fanao amin’ny agroforesteria. Misy ihany koa ireo tetikasa fampandrosoana ny faritra, toy ny fanorenana fotodrafitrasa (sekoly, tobim-pahasalamana), fanomezana fitaovam-pianarana sy amin’ny fitsaboana, ary fanohanana ny fanatsarana ny toe-piainan’ny mponina.
Antontan’isa manan-danja momba ny asa
Ity tetikasa ity dia hanampy amin’ny famoronana asa maharitra mihoatra ny 200 mandritra ny taona maro, ka ny 20% amin’ireo dia ho an’ny vehivavy, ary maroanisa ireo mpiasa avy amin’ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana. Ireo asa ireo dia mahakasika ny famerenana ny ala ary koa ireo tetikasa fambolena anaty ala sy fanatsarana ny firaofan’ny biby fiompy.
Mpiara-miombonantoka eo an-toerana
Nisy fifanarahana nosoniavina niaraka tamin’ireo kaominina telo mba hiantohana ny fiaraha-miasa mahomby amin’ny fampandrosoana ny faritra. Misy fikambanana sy rafi-panjakana maro manohana ireo hetsika, ka manampy amin’ny fitohizan’ny asa atao. Nanao fifanarahana amin’ny oniversiten’Antananarivo sy Ihosy koa ny orinasa ho fanohanana ny fikarohana sy ny fampivoarana ny tetikasa. Tafiditra ao anatin’ireo fiarahamiasa ihany koa ny fikambanam-behivavy eo an-toerana amin’ny famatsiana masomboly avy eto amin’ny faritra, ary niara-niasa tamin’ny Valanjavaboaharin’Isalo ihany koa ny orinasa.
Fandraisan’anjaran’ny mpiasa sy ny fahaizamanao eny ifotony
Ny mpiasa eo an-toerana no omena laharam-pahamehana ao anatin’ireo asa rehetra ao anatin’ny tetikasa. Ankoatr’izay dia misy fanofanana omena ny mponina mba hampitomboana ny fahaiza-manaony amin’ny agroforesteria, fitantanana maharitra ny ala sy ny fiompiana mampisy ny fahaleovantenany ara-toekarena sy ara-tontolo iainana.
Fandaharan’asa fiofanana sy hetsika fampahafantarana
Misy ny fandaharan’asa fiofanana karakaraina ara-potoana mba hanomezana tantsoroka ny vondrom-piarahamonina eny ifotony amin’ny fanarahana fomba fanao maharitra. Misy koa ny hetsika fanentanana karakaraina amin’ny alalan’ny atrikasan’ny mpiray monina sy ny fifanakalozana ara-potoana miaraka amin’ireo solontena eny ifotony, mba iantohana fitantanana mahomby sy mampandray anjara ny haren-java-boahary.
Famoronana asa sy fampiroboroboana fotodrafitrasa eny an-toerana
Ny tetikasa dia hahafahana mamorona asa sy manorina fotodrafitrasa vaovao izay hanatsara ny kalitaon’ny fiainan’ny mponina eo an-toerana. Miaraka amin’ny fotodrafitrasa misy sy amin’ny alalan’ny famoronana fotodrafitrasa vaovao (mifanaraka amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa). Ny fandraisana anjara mivantan’ny tetikasa famerenana ny ala dia azo fintinina toy izao :