Ny fandraharahana amin’ny fambolena ataon’i Tozzi Green Madagascar dia manaporofo ny maha-orinasa mpandraharaha manana ny maha-izy azy, nampitaina tamin’ny taranaka nifandimby, ary mikendry ny fitomboana mitohy sy maharitra eo amin’ny faritra.
Mifanaraka amin’ny fiaviana ara-pianakavian’ny Vondrona izay miorim-paka amin’ny kolontsainan-tantsaha, Tozzi Green Madagascar dia mihevitra fa ny fambolena mamokatra no fitaovana tsy maintsy ilaina raha hampandroso ny faritra iasany izy.
Ny paikady ara-pandraharahana dia entanin’ny faharessen-dahatra fa “ny ambim-bava manome ny herijika hiroso mihoatra ny ilaina mahavelona dia manokatra lalana ho amin’ny fanodinana ara-indostrialy.”
Franco Tozzi

Politika ara-tontolo iainana sy ady amin’ny fahangazanana
Eto Madagasikara dia hita mibaribary ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro, indrindra any amin’ny tapany atsimo, tato anatin’ny roa taona farany nanaovana fanadihadiana. Nandritra ny dimy taona farany, nihena tsikelikely ary lasa tsy ara-dalàna intsony ny rotsakorana. Manoloana ny vokatra ratsy tamin’ny voly katsaka tamin’ny taona 2022 sy araka ny vokatry ny fikarohana ara-tsiantifika natao nandritra ny taonamaro teny an-kianja, dia nanapa-kevitra ny orinasa ny hanolo izany amin’ny voly hafa tsy dia mila rano firy sy mahatohitra tsara kokoa ny fanafihan’ny valala (apemba «sorgho»sy «millet»). Nifanindran-dalana tamin’izany dia nampidirina koa ny voly teff, izay animpotsy tsy mitaky rano firy, ary be mpamboly any Ethiopia. Nampitomboina koa ny fifantenana sy ny famokarana masomboly. Mbola tsy ampy mpamokatra masomboly eto an-toerana mampiasa fomba ara-tsiantifika i Madagasikara. Ny fampiroboaroboana ny famokarana masomboly eto an-toerana amin’ny vidiny mora afaka hisolo ny fanafarana ay any ivelany izay tena lafo dia mety ho loharanon-karena mahabe fanantenana ho an’ny toekarena eto an-toerana.
Fiarovana ny biôdiversite
Ao anatin’ny asa fambolena ataony eto Madagasikara, Tozzi Green Madagascar dia manatanteraka tanjona fiarovana sy fampitomboana ny fahasamihafan’ny zavaboaary amin’ny alalan’ny fampiharana teknika maharitra amin’ny fambolena, toy ny fifandimbiasan’ny voly, ary amin’ny alalan’ny fanarahamaso tsy tapaka ny haavon’ny fahasamihafan’ny zavaboaary ao amin’ny faritra. Ohatra, miaraka amin’ny Madagascar Biodiversity Centre (MBC),dia araha-maso akaiky ny isan’ny karazana bibikely arthropodes (vitsika), izay ampiasaina ho tondron’ny haavon’ny biôdiersite.


Ny tetikasa Ihorombe
Ny FOI dia namolavola karazana voly maromaro tao amin’ny Faritra Ihorombe, ao amin’ny distrikan’Ihosy, amin’ny tany izay efa ela tsy nisy nampiasa noho ny fahasarotan’ny fambolena azy. Ireo voly dia nofantenana arakaraka ny fahafahany mivelona amin’ny toetra sy kalitaon’ny tany ary ny toetrandro eo an-toerana. Ary taorian’ny taona maro nanaovana ny fanomanana ireo tany ao, tsy mbola nasaina hatrizay, tamin’ny alalan’ny fampiasana teknika ara-mekanika, zezika maintso, ary fandaharana sy fandrindrana ny fifandimbiasan’ny voly mba hanatsarana ny firafitry ny tany sy hampitomboana ny fahavokarany. Niteraka fandaniana ara-bola betsaka izany ezaka izany, nefa tsy nahazoana vokatra avy hatrany. Na izany aza, taorian’ny ezaka sy fanandramana an-taonany maro dia nahavita nampaniry karazana voly isan-karazany i Tozzi Green Madagascar. Mampalahelo anefa fa tato anatin’ny taona vitsivitsy izao dia nosembanin’ny fihenan’ny rotsak’orana goavana – izay mbola misy fiantraikany ratsy ankehitriny – manerana ny tapany atsimon’i Madagasikara. Lasa zara raha misy ny orana, sady tsy ara-potoana intsony, hany ka voatery ny orinasa hampihena betsaka ny voly varimbazaha maro. Noho izany, mba hanohizana ny asa ao amin’ny faritra, hanararaotana ny fananana ara-teknika sy ara-toekarena efa nampiasaina nandritra ny taona maro, ary hanomezan-karama ho an’ireo mpiasa, dia voatery nitady tetikasa hafa ho solony i Tozzi Green Madagascar, avy amin’ny alalan’ny sampany JTF, izay afaka mamaly ny zavatra andrandrain’ny rehetra.