• Électrification rurale à Madagascar
  • Électrification rurale à Madagascar
  • Électrification rurale à Madagascar

Fanomezana herinaratra eny ambanivohitra

Fanatsarana ny toe-piainana sy fampandrosoana ara-toekarena eny an-toerana

Ny iraka ataon’i Tozzi Green Madagascar dia ny hanova ny andavanandrom-piainan’ny olona eny ambanivohitra amin’ny alalan’ny fisitrahany herinaratra azo antoka sy maharitra. Amin’ny fanoloana ieo loharanon’angovo nentin-paharazana izay manimba sy lafo vidy (labozia sy lampy mandeha amin’ny pétrole), ny orinasa dia mikendry ny hanatsara bebe kokoa ny toe-piainana sy ny fandrosoana ara-toekarena eny ifotony.

Tanjona :

  • Manatsara ny andavanandrom-piainana : amin’ny alalan’ny famatsiana jiro azo antoka, rano fisotro madio amin’ny alalan’ny paompy elektrika ary fanamorana ny fidirana amin’ny teknolojia vaovao, Tozzi Green Madagascar dia manampy amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fiainana.
  • Manohana ny toekarena eo an-toerana : ny famoronana asa ho an’ny fanorenana sy ny ny fikojakojana ny tambazotra elektrika dia manohana ny toekarena eny ifotony. Ankoatr’izany, ny fahafahana misitraka herinaratra dia manampy amin’ny fivelaran’ny orinasa madinika sy ireo asa mitondra fidirambola toy ny asa-tanana sy fambolena mampiasa milina.
  • Miaro ny tontolo iainana : amin’ny fampihenana ny fiankinandoha amin’ny fandrehitra sisan-karingarina (combustibles fossiles), Tozzi Green Madagascar dia mampihena ny fanelezana entona mangeja hafanana (EMH) ary mandray anjara amin’ny ady amin’ny fandripahana ala izay mifamatotra matetika amin’ny fitadiavana kitay fandrehitra.

Vokatry ny ezaka :

  • Fidirana tsaratsara kokoa amin’ny herinaratra : mihamaro ny tokantrano tafiditra amin’ny tambazotran’ny herinaratra ka avy amin’izany dia mahazo tolotra azo antoka sady mora vidy.
  • Fihatsaran’ny toe-piainana : ny fisitrahana hazavana amin’ny alina dia manampy amin’ny fanitarana ny fandraharahana atao ary manatsara ny fanabeazana sy fahasalamana.
  • Fandraisana anjara amin’ny tanjonn’ny fampandrosoana lovainjafy : amin’ny fandraisany andraikitra amin’ny sehatra maro (angovo, tontolo iainana sy fampandrosoana ny toekarena), Tozzi Green Madagascar dia miara-dalana tanteraka amin’ny tanjona nofaritan’ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena.

« Te-hahatratra io tanjona io izahay : hanome herinaratra sy hazavana ho an’ireo olona izay tsy mbola nisitraka izany androany. Azontsika atao ny ho tonga amin’izany noho ny traikefanay eo aminny sehatry ny angovo sy ny ny fifehezanay ireo teknolojia fitahirizana angovo. »
Andrea Tozzi

HETSIKA MIFANDRAIKA AMIN’IZANY

  • Fametrahana rafitra famokarana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro ho an’olon-tokana na ho an’olona maromaro mitambatra. Izany rafitra izany dia hahafahana mampiditra herinaratra any amin’ny toerana lavitra ary manome angovo madio sy azo havaozina.
  • Fananganana tambazotra madinika (mini-réseaux). Izany tambazotra izany dia misahana ny famatsiana tanàna maromaro ary hahafahan’ny olona maro kokoa hahazo herinaratra.
  • Fampiofanana ny mponina eny an-toerana. Tozzi Green Madagascar dia manome teny fa hanofana ny mponina eo an-toerana amin’ny fikojakojana sy ny fampandehanana ireo fotodrafitrasa elektrika.
  • Fiaraha-miombon’antoka amin’ny mpiantsehatra eo an-toerana. Miara-miasa akaiky amin’ny manampahefana eo an-toerana, ny ONG ary ny orinasa tsy miankina mba hampitomboana ny fiantraikan’ireo tetikasany.

Vokatra lehibe azo tamin’ny fampidirana herinaratra avy amin’ny rafitra nampiasaina :

  • Fampisitrahana herinaratra mialoha ireo Kaominina ambanivohitra Satrokala sy Andiolava tamin’ny alalan’ny fampiasana ny rafitra SHS (rafitra ahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro ao an-tokantrano)
  • Tambazotra madinika ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Sahanivotry

Tombontsoa mivaingana ho an’ny tokantrano sy ny mponina eny ambanivohitra :

  • Fitomboan’ny tahan’ny fisitrahana herinaratra (mpanjifa maro kokoa no tafiditra amin’ny tambazotra)
  • Fahazoana angovo amin’ny vidiny mora kokoa

Ny fametrahana jiro an-dalambe tao Satrokala dia niteraka fiovana lehibe teo amin’ny fiainan’ny mponina, avy amin’ireo tombontsoa maro nentiny, araka ny nosoritan’Atoa Urbain, mpamboly sady filohan’ny fikambanana tantsaha « Zavan’andro »

Taloha i Satrokala dia noheverina ho faritra mampidi-doza noho ny tsy fisian’ny jiro manazava amin’ny alina. Nanatsara be ny fandriampahalemana ary nampihena ny tahan’ny fanaovana asa ratsy ny fisian’ny jiro an-dalambe. Ankoatr’izay dia nisy lafitsarany koa izany teo amin’ny tontolo iainana tamin’ny fiatahan’ny bibikely manidina sy biby madinika izay nameno ny lalana.

Anisan’ny tombontsoa iray koa ny fihatsaran’ny toekarena eo an-toerana. Afaka manokatra ny tsenany mandritra ny fotoana elaela kokoa ny mpivarotra amin’izao ary izany dia misy fiantraikany miabo amin’ny vola miditra amin’izy ireo ny fandraharahana ara-toekarena eo amin’ny tanàna.

Farany, ny jiro an-dalambe dia namorona toerana azo antoka ho an’ny ankizy. Ny hariva dia afaka mihaona sy milalao am-pilaminana eo ambany taratry ny jiron-dalambe izy ireo.

Raha fintinina dia nitondra fanatsarana lehibe ny jiro an-dalambe, na amin’ny lafiny filaminana, na ara-toekarena na eo amin’ny kalitaon’ny fiainan’ny mponina.