Ny tetikasa Rugby Academy Ihorombe dia mikendry ny fivelarana sy fampahaleovantena ny zazavavy amin’ny alalan’ny fandaharanasa fanabeazana mitodika amin’ny fampandrosoana ka fitaovana amin’izany ny fanaovana rugby any amin’ny Faritra Ihorombe eto Madagasikara.
Ireo hetsika fototra ao amin’ny tetikasa dia ahitana indrindra fampianarana rugby, hetsika mitohy miompana amin’ny fanabeazana momba ny fitovian-jon’ny lahy sy vavy, fikarakarana hetsika ara-tsosialy sy ara-panatanjahantena ary fampiofanana ho an’ireo tanora mpanabe sy ireo mpampianatra ao amin’ny sekolin’i Satrokala sy Andiolava.

Io tetikasa io dia mikendry ny hitondra anjara biriky amin’ny fanatrarana tanjona telo amin’ny fampandrosoana lovainjafy :
- Hahatraran’ny olona rehetra dingana tsara kokoa amin’ny fahasalamana ary hampandroso ny fahatsapany fiainana finaritra
- Fiantohana ny fisitrahan’ny rehetra fanabeazana tsara kalitao ary fampiroboroboana ny fahafahana mianatra/miofana hatrany. Ny fandaharanasanay dia mikendry indrindra ny fanandratana ny fitovian-jon’ny lehilahy sy vehivavy, ny kolontsainan’ny fandriampahalemana sy tsy fampiasan-kery, ny sata maha-olompirenen’izao tontolo izao, ny fahasamihafana ara-kolontsaina ary ny anjara birikin’ny kolontsaina amin’ny fampandrosoana lovainjafy amin’ny alalan’ny fanabeazana ara-panatanjahantena.
- Fivoizana ny fitovian-jon’ny lahy sy vavy ary ny fivelarana sy fampahaleovantena ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra amin’ny alalan’ny fanaparitahana fandaharan’asa fanabeazana tsy manavaka. Ny tanjona ankapobeny dia mifanaraka amin’ny Drafitra Kazan an’ny UNESCO sy ny Agenda 2030 an’ny Vondrona Afrikana momba ny fanatanjahantena ampiasaina ho fitaovana fampandrosoana.
« Pasy iray, tsiky iray » no teny fanevan’ny tovovavy ao amin’ny « Rugby Academy Ihorombe ».
Ny tetikasa dia noheverina hitondra anjara biriky amin’ny fanatanterahana ireto tanjona manaraka ireto :
- Handrisika ny fivelarana sy fampahaleovantenan’ny tovovavy ao amin’ireo tanànan’i Satrokala sy Andiolava ary hivoy ny fitovian-jo eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny alalan’ny rugby atao fitaovam-panabeazana.
- Hampihena ny tahan’ny fitondrana vohoka aloha loatra amin’ireo zazavavy mahazo tombontsoa amin’ny tetikasa.
- Hanampy amin’ny fampidirana ny fanabeazana mitodika amin’ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena ao anaty fandaharam-pianaran’ny sekoly sy ireo fikambanana mpiombon’antoka.
- Hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra amin’ny alalan’ny fiofanana mifototra amin’ny fanatanterahana sy ny fitantanana ny fampiofanana mikasika ny fanabeazana ho amin’ny fampandrosoana amin’ny alalan’ny rugby.
- Hanolo-kevitra momba ny lalam-panabeazana amin’ny alalan’ny fikarakarana fotoam-piofanana miompana amin’ny lohahevitra manokana ho an’ny ankizy sy tanora 6 ka hatramin’ny 18 taona izay mahazo tombontsoa amin’izany.
- Hampiroborobo ny firaisankinan’ny mpiray monina sy ny fiaraha-miaina amin’ny fampivondronana ireo mpahazo tombontsoa mivantana sy ankolaka avy amin’ireo tananan’i Satrokala sy Andiolava manoloana ireo soatoavina natao tolokevitra nandritra ny fihetsiketsehana sosialy sy ara-panatanjahantena nokarakaraina amin’ny faran’ny fotoam-piofanana tsirairay.