• Ènergies renouvelables Tozzi Green Madagascar
  • Tozzi Green Madagascar
  • Ènergies renouvelables Tozzi Green Madagascar

HAZAVAINAY AMIN’NY

ANGOVO MAINTSO NY TONTOLO

Angovo azo havaozina

sy Fampidirana herinaratra any ambanivohitra

Ny orinasa

Tozzi Green Madagascar dia orinasan’i Tozzi Green, iray amin’ireo vondron’orinasa italiana goavana indrindra amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina. Ny vondrona dia efa mihoatra ny 30 taona niasana manerana an’izao tontolo izao amin’ny fananganana fotodrafitrasa famokarana angovo avy amin’ny loharano azo havaozina.
Tozzi Green Madagascar dia mampiroborobo ny fisitrahana angovo azo havaozina sy ny fampandrosoana lovainjafy any amin’ny tontolo ambanivohitra eto amin’ny firenena. Mandray anjara mavitrika izy amin’ny famokarana sy ny fanodinana fotodrafitrasa mamokatra angovo azo havaozina izy mba hamaliana ny filàna angovo eto amin’ny firenena, indrindra ho an’ny mponina, na ambanivohitra na an-tanàn-dehibe.

Resy lahatra izahay mikasika ny fampandrosoana lovainjafy amin’ny lafiny rehetra, na mikasika ny ara-pahamendrehana, na ara-piarahamonina na ara-tontolo iainana.

Ny iraka

Miasa miaraka amin’ny orinasa sy faritra maro izahay mba hamoronana tontolo velomin’ny angovo madio. Modely vaovaon’ny fitomboana mifototra amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, ny fandrosoana ara-tsosialy sy ny fanajana ny tontolo iainana mba hiainana tsaratsara kokoa ankehitriny sy hanorina miaraka ny fototry ny fahatsapana fiainana finaritra ho an’ny taranaka hoavy.

Vina

Manao fampiasam-bola izahay amin’ny fananganana toby famokarana angovo avy amin’ny loharano azo havaozina ary izahay dia mpandraharaha iraisam-pirenena azo itokisana amin’ny fananany fahafaha-mitondra fanavaozana, ny fananany lamina, ny fahombiazany sy ny fisian’antoka hahazoana vokatra.

Fomba fiasa mampiaty mahakasika ny angovo azo havaozina

Tozzi Green Madagascar dia miavaka eo amin’ny sehatry ny angovo eto Madagasikara amin’ny fomba fitantanany mampiaty izay mahasahana ny rojom-pihariana manontolo : fampandrosoana, fahaiza-manao teknika, fanorenana iandraiketana manontolo manomboka amin’ny famolavolana ka hatramin’ny fanorenana, fampandehanana sy fikojakojana. Tozzi Green Madagascar dia manolotra vahaolana feno amin’ny teknolojia samihafa : angovo avy amin’ny rivotra, avy amin’ny rano, avy amin’ny herin’ny masoandro, biômasy ary biôgazy. Izany dia hahafahan’ny vondrombahoaka eny an-toerana sy ny mpandray anjara hafa hiara-miasa amin’ny mpiara-miombonantoka tokana afaka mamaly am-pahombiazana ireo fanamby mahakasika ny angovo eto amin’ny firenena.
Eto Antananarivo no misy ny foiben-toeran’i Tozzi Green Madagascar. Ny fananan’ny Vondrona, avy amin’ireo sampany, dia any Italia (na avy amin’ny herin’ny masoandro, na ny rivotra na ny biôgazy) sy eto Madagasikara (avy amin’ny rano).

Herin’aratra
azo havaozina

Fambolena
maharitra

Fambolen-kazo

Fampidirana herinaratra
any ambanivohitra

Fambolena sy ady amin’ny fahangazanana

Tozzi Green Madagascar dia manankina ny mety ho anjara toeran’ny fambolena eo amin’ny fitomboana sy fampandrosoana lovainjafy, ny ady amin’ny fahantrana manana fiantraikany tsara amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny tsy fanjarian-tsakafo.

Izany indrindra no antony mahatonga ny orinasa miantsehatra manokana amin’ny lafiny fambolena any Atsimon’i Madagasikara, any amin’ny Faritra Ihorombe, indrindra ao amin’ny distrikan’Ihosy, ny faritry ny Kaominina Satrokala, Andiolava sy Ambatolahy, amin’ny alalàn’ny sampany JTF, izay mamboly karazana voly miparitaka amin’ny velarana mizarazara mitotaly 6 731,5 hekitara.

Tozzi Green Madagascar dia mametra-teny fa hiady amin’ny fahangazanana mianjady amin’ny firenena amin’ny alalàn’ny fikarohana, ny fampandrosoana, ary ny fambolena karazana zava-maniry voafantina, indrindra amin’ny fampiharana ny teknolojia avo lenta amin’ny fanondrahana sy ny fambolena zavamaniry izay afaka manatsara tsikelikely ny kalitaon’ny tany.

Ny fomba fiasa mifandray amin’ny angovo azo havaozina, ny fambolena, ny fikarohana ary ny fitadiavam- panavaozana, ho an’i Tozzi Green Madagascar, no lalana azo antoka ho an’ny hoavin’ny planeta, ny fomba mahomby indrindra hiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Izany no antony hijoroan’ny orinasa amin’ny fitadiavam-panavaozana sy ny fanokanana ny enti-manana ho an’ny fikarohana, ary izany dia miaraka ihany koa amin’ny fiarahamiasa amin’ireo fikambanana ivelany.

Fikarohana sy fampandrosoana

Ny fikarohana nataon’ny sampan-draharaha miandraikitra ny fikarohana sy fampandrosoana ao amin’ny orinasa nandritra ny 10 taona mahery teto Madagasikara, niaraka tamin’ny Departemantan’ny Siansa sy Teknolojia Ara-pambolena ao amin’ny Oniversiten’i Florence ary ireo Oniversiten’Antananarivo sy Ihosy dia nahatonga ny famoronana karazana voamaina apemba (Sorghum bicolor) sy vomanga (Panicum milliaceum) izay mahatohitra ny fahangazanan’ny tany. Nisy ihany koa ny asa natao momba ny fiarovana sy fanarahamaso ny fahasamihafan’ny zavamaniry sy biby eo amin’ny faritra lemaka Ihorombe, ary koa ny fanatsarana ny kalitaon’ny tany izay efa saika tsy nisy aina noho ny antony fizika sy simika tamin’ny voalohany.

Fametrahanteny ho an’ny fahasalamana, ny filaminana ary ny tontolo iainana

Tozzi Green Madagascar dia mametraka ho ivon’ny paikadiny ny fahasalamana, ny filaminana ary ny tontolo iainana, mba hampihenana araka izay tratra ireo loza mety hitranga sady hampitomboana ihany koa ireo vokatra tsara azo avy amin’ireo tetikasa. Ny orinasa dia manentana ireo mpiasa ao aminy, ireo mpiara-miombonantoka aminy ary ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana momba ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalàn’ny fampiroboroboana fifanakalozan-kevitra mahomby sy hetsika iaraha-manatanteraka.
Tozzi Green Madagascar dia mametra-teny hanabe kolontsaina mankany amin’ny hatsarana amin’ny alalan’ny fandaharan’asa fiofanana sy tetikasa fampandrosoana lovainjafy, mba hananganana hoavy iray mifototra amin’ny angovo azo havaozina ho an’i Madagasikara.

Ny tetikasa eto Madagasikara

Herin’aratra

azo havaozina

Fambolena

maharitra

Fambolen-kazo

ary agroforestry

Fampidirana herinaratra

any ambanivohitra